Ny finoana silamo

Nampidirin'i ann | 25 Mar, 2006

                                    Amin'ny anaran'Atra ilay mpiantra sy ilay mpitsimbina

Ny voalohanteniko dia faly misaotra an'ilay avo indrindra ,ary noezahiany mba atao amin'ny teny gasy tsotra izy ity mba ahafahantsika mamantafatatra ny atao hoe silamo izany.

Ny finoana silamo dia tamin'ny taona 570 taorian'i Jesosy kristy niantomboka ary ny mpitarika izany finoana izany dia i Mpaminany MAHOMET na MOHAMAD [saw].

Maro tokoa ny velom-panotaniana mikasika ity finoana ity ,fa mampanantena zahay fa hanampy anareo amin'ny famahana izany fanotanina izany .

Arakan'ny voalazako tetsy ambony dia ny finoana silamo dia avy tany Arabie saodite ny fiatombohany ,fa zany tsy midika fa hoe ry zareo no natokana ho azy ,fa ny tanjony finoana dia hitaridalana ny olombelona mba hanakekezany bebekokoa an'Atra.

Izany finoana izany akehitriny dia efa saika miparitaka eran'izo tontolo izao.